<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>189</hymn_number>
<title>O, ry Fanahy Masina o FFPM189</title>
<lyrics>[V1]
 O, ry Fanahy Masina ô !
 Mba midira ao anaty fo !
 Taomy ny mania
 Hody avokoa ;
 Eny, mitahia,
 Manomeza soa,
 Miantrà, ry Tompo ô !

[V2]
 O, ry Mazava lehibe,
 Hazavao ny teny izay ho re !
 Asehoy Jesosy,
 Ambarao ny vonjy ;
 Iasao ny Nosy
 Mba ho voavonjy.
 Miantrà, ry Tompo ô !

[V3]
 Ry Afom-pitiavana ô !
 Mba levoninao ny lolompo,
 Ampiraiso dia
 Ireto ondry vitsy
 Mba hifankatia
 Ho iray mihitsy.
 Miantrà, ry Tompo ô !

[V4]
 Ry Mpampifaly tsara ô !
 Mba omeo toky re ny fo,
 Mba hanantenanay
 Fa ho voavonjy,
 Ary handresenay
 Noho ny Mpamonjy.
 Miantrà, ry Tompo ô !
 NY TELO IZAY IRAY</lyrics>
<author>Kyrie</author>
</song>